Alahady 26 Jolay 2026

VOTRE PUBLICITE ICI

ETO NY DOKAM-BAROTRAREO

Hikarakara Kara-panondrom-pirenena

"Carte d'Identité Nationale"

Toerana :

Renivohitry ny Faritany sy Faritra - Biraon'ny Boriboritany "Délegué d'arrondissement"
Distrika - Kaominina Ambanivohitra - Delege Administratifa (Birao Kaominina)

Ilaina :

- Mameno fangatahana (Demande) ;
- Sary Tapaka (Photos d’identité) ;
- Copia lava latsaky ny telo (3) volana alaina any amin'ny Kaominina izay nahaterahanao (Acte de naissance moins de trois "3" mois) ;
- Fanamarinam-ponenana latsaky ny telo (3) volana (Certificat de résidence moins de trois "3" mois) ;
- Vola haloha "Droit" (Ar);
- Fanamarinana maha-Malagasy "Certificat de Nationalité" (Ho an'ireo izay tsy misy anarana Malagasy ny Anarany) alaina any amin'ny Tribonaly Abaratonga Voalohany "TPI" misahana ny Kaominina nahaterahanao.

Faharetany :

Azo :

Kara-panondrom-pirenena voasonia.

Tsara ho fantatra :

- Ny Kara-panondrom-pirenena dia toky hovaina isaky ny folo (10) taona.
- Afaka manova sonia ihany koa ianao isaky ny manova Kara-panondrom-pirenena.
- Raha very ny Kara-panondrom-pirenena dia mila manao fanambarana fahaverezana haingany any amin'ny Polisy na Zandarimaria mba hisorohana ny mety ahavoarohirohy anao raha nisy ny fampiasana ilay karatra very ho amin'ny tsy ara-dalana sy ahafahanao mangataka karatra vaovao ihany koa.

VOTRE PUBLICITE ICI

ETO NY DOKAM-BAROTRAREO
Compteur de visiteur