Iaraha-mahalala ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasy ara-panjakana eto amin-tsika koa miangavy antsika rehetra hiray hina amin’ireo izay very karatra amin’ny fanomezana vaovao momba izany karatra very izany aty aminay sady mba hialana ny hampiasana izany ihany koa amin’ny fanaovana hosoka.
Tsara raha nahita karatra ianao dia manatitra izany eny amin’ny Biraom-panjakana akaiky anao indrindra, hoatra : birao Distrika, Fokontany, Paositra, CNaPS, Kaominina, Zandarimaria, Polisy, .... Izay birao misy fifamezivezen’olona betsaka amin’ny ankapobeny.
Ny famantarana momba ny karatra very iray eto amin’ity tranokala ity dia tsy handoavam-bola.
Raha toa ka nahita karatra ianao ka te hampahafantatra izany dia alefaso aty amin’ny mpandrindra ny :
- Nomeraon’ilay karatra ;
- Ny Anarana (Renintsoratra "Majuscule") sy ny Fanampin’anaran’ilay tompony (Zanatsoratra "Minuscule") tsy diso ;
- Ny toerana, Birao, Fokontany, Kaominina, Distrika, Faritra, izay mety ahafahan’ny tompony haka azy.
na
Ny sarin'ilay takela misy ny Anarana sy ny Nomeraon’ilay karatra ary ny toerana, Birao, Fokontany, Kaominina, Distrika, Faritra, izay mety ahafahan’ny tompony haka azy..
na
- Nomeraon’ilay karatra ;
- Ny Anarana (Renintsoratra "Majuscule") sy ny Fanampin’anaran’ilay tompony (Zanatsoratra "Minuscule") tsy diso ;
- Ny nomeraon'ny Finday izay afaka hantsoin'ny tompon'ilay karatra very.
Iangaviana izay nahita sy nahavoaray ny karatrany mba hampilaza aty amin’ny mpandrindra mba hamafana ny mombamomba azy ao amin’ny lisitry ny karatra very.
VOTRE PUBLICITE ICI
ETO NY DOKAM-BAROTRAREO